menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • mardi 27 mars 2012

    28 Mars 2009: Tao anaty herisetra sy feom-basy. Nijoro hiaro ny demokrasia ny malagasy (VIDEO+SARY)


    razily-miaramila-sainam-pirenena1.jpg
    Nijoro ho an'ny Tanindrazana sy amin'ny maha olom-pirenena azy i Razily.
    Daty manjombona voarakitra ao anatin'ny tantaram-pirenena ny andron'ny 28 martsa 2009. Andro izay nanamarika tanteraka ny fahapotehana sy faharavàn'ny demokrasia teto Madagasikara. Voahitsakitsaka sy rava nanaraka izany koa ny zon'olombelona sy ny hasin'ny Firenena satria dia niditra an-tsehatra tamin'ny fampiasan-kery mahery vaika ny mpanongam-panjakàna izay notarihan'i Andry Rajoelina. Gina sy tampina tanteraka teo ny feon'ny vahoaka izay nijoro hiaro ny demokrasia sy ny zon'izy ireo satria dia ny hery ara-tafika sy ny feom-basy avy hatrany no namaly botana izany. Nijoro ho an'ny Filoha Marc Ravalomanana sy ho an'ny Firenena ireo vahoaka saingy herim-pamoretana tsy mifaditrovana sy feno habibiana no nitsena sy nampihorohoro izany.

    Indro averina amitsika vetivety ity horonan-tsary amin’ny fiteny frantsay ity mampiseho sy mampatsiahy ny zava-nisy tamin'io fotoana io.


    Ireo andian-tsary vitsivitsy nanamarika sy mitantara io vanin'andro io. (Sary nalaina tao amin'ny http://www.topmada.com)
    Vahoaka sesehena avy ao Ambohijatovo

    Fiara nitondra ireo naratra
    Nanomboka nitifitra ireo miaramila



    Santionany tamin'ireo bala nampiasain'ny hery famoretana



    Herim-pamoretana eo am-pitifirana

    Miditra an-tsehatra ny fiara tsy mataho-dalana manenjika ireo vahoaka tanam-polo

    ...Ary nitabataba ny basy marovava

    Tsara ny mampatsiahy fa vahoaka MALAGASY tanam-polo no enjehina sy tifirina eto

    Andian-jatovo TGV vitsivitsy miaraka amin'ny kibay sy vy mandratra miandry ety ambany miaraka amin'ireo miaramila

    Ary tsy nitsahatra ny tabataban'ny basimarovavan'ireo miaramila...


    Vahoaka nitady ireo havany sy namany izay naratra sy namoy ny ainy tetsy amin'ny hopitaly HJRA





    MM

    2 commentaires:

    1. Vahoaka tanam-polo sady betsaka vehivavy dia sahin'ireto miaramila tsy mifaditrovana tsy matahotra an'Andriamanitra ireto ny mitifitra sy mampiasa herisetra aminy. Miaramila biby sy mifoka rongony mihitsy.

      RépondreSupprimer
    2. Tegna mampalaheflo ny zapatea niseho. Ary tsisy gaga isika mpanohana ny filoha Ravalomanana raha otran'izao ny fijaliagna mianjady amin'ny Nosy Malalantsika amin'izao.

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...